SocialTatitra

Turquie : Mandamina ny toe-draharaha ireo mpitarika ny Union Européenne

Nitsidika an’i Turquie ny mpitarika ny Vondrona eropeana Charles Michel ny talata 6 aprily. Andrana hanatsara ny fifandraisana eo amin’i Ankara sy Bruxelles niaraka tamin’ny filohan’ny kaomisiona Ursula van der Leyen V. Dinika eo amin’i Bruxelles sy Ankara no tanjon’ny fitsidihana. Eo ihany koa ny hanamaivanana ny fifanenjanana nisy volana maro izay. Nilaza tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny filankevitra Charles Michel taorian’ny fihaonany tamin’ny filoha Recep Tayyip Erdogan tao Ankara fa voarahiny ny « ahiahy lalina » an’ny EU noho ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona misy ao Turquie. « Tsy maintsy manaja ny zon’olombelona i Turquie », hoy ny filohan’ny kaomisiona eropeana, Ursula von der Leyen, izay nalahelo tamin’ny fandaozan’i Ankara ny fivoriambe tao Istanbul momba ny herisetra atao amin’ny vehivavy. « Famantarana ratsy io, » hoy izy.

Laisser un commentaire