Belgique : Fiara telo niharan-doza
Nisehoana lozam-pifamoivoizana fiara telo ny alin’ny alatsinainy 17 may lasa teo teny amin’ny lalan’i Edouard Dekoster tany Evère, Bruxelles. Nipitika tany ivelan’ny arabe ny fiara iray. Afaka nivoaka irery tao amin’ny fiara haingana ny mpamily ity fiara ity ka nentina malaky tany amin’ny hopitaly, hoy ny mpitondra tenin’ny polisy ao Avaratr’i Bruxelles. Nanakana ny fifamoivoizan’ny rehetra mihitsy ity loza ity ka nitsahatra ny fifamoivoizana nandritra ny fanalana ny fiara teo. Tsy fantatra mazava ny anton’izao tranga izao hoy hatrany ilay mpitondra teny, ny mpamily telo anefa sady tsy nisotro toaka no tsy nikasika rongony.
