Espagne : Fatin’olona iray no hita tao anaty valizy
Lehilahy iray saika hanary fako no nahita valizy tao anatin’ny fitoeram-fako iray ny herinandro lasa teo. Rehefa nosokafany io valizy io dia tratran’olona tapaka nanomboka teo amin’ny tendany hatreo amin’ny foitrany no tao anatiny. Tao amin’ny tanànan’i Eixample, Barcelone no niseho io tranga io.
Niantso ny manam-pahefana izy ary nentin’izy ireo teny amin’ny « institut médico-légal» io ampaham-batana hita tao anaty valizy io. Amin’izao fotoana dia mbola mitady ny loha sy ny tanana ary ny tongotra sy ambin’io vatana io ireo tompon’andraikitra.
Raha ny fantatra kosa hatreto dia lehilahy fotsy hoditra, maty vao aingana io hita io. Miandry ny fahitana ny ambin’ny ratsam-batany ireo manam-pahefana mba hamantarana azy.
