Canada : Inona no mahalafo no « Von Essen Platinum Club Sandwich » ?
Ny « Von Essen Platinum Club Sandwich » no sandwich lafo vidy indrindra eran-tany izay mitentina 197 Dollars ary voarakatra ao amin’ny Guinness des records. Ny Chef James Parkinson no namolavola io sakafo io izay aroso ao amin’ny toeram-pisakafoana Von Essen.
Ny akora mandrafitra io sandwich io no mahatonga ny vidina lafo. Karazana sakafo lafo vidy avokoa mantsy no handrafetana izany toy ny voatabia italianina (tomates italiennes séchées à maturité), atody papelika, henan’akoho malefaka, jambon de porc andrahoina mandritra ny 30 volana, ary karazana holatra antsoina hoe « truffes blanches », izay tena mpampalafo io sakafo io noho ny vidiny eo amin’ny 50 Dollars eo ho eo.
Anisan’ny antony mampalafo ny « Von Essen Platinum Club Sandwich » ihany koa ny fomba fanamboarana ny mofony, izay manaraka ny fomban-drazana frantsay taloha. Alona mandritra ny 24 ora ny paty mofo, ny afovoan’ny mofo ihany no ampiasaina amin’ny sandwich, ary ariana ny ambiny.
