Ankadikely Ilafy : Velom-pisaorana ireo mponina nahazo hazavana
Tsy mitsahatra ny misaotra ireo mponina nahazo hazavana ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, indrindra fa ny ao amin’ny fokontany Antsahamaina Andafiavaratra. Efa ela niainana tao anaty haizina ny mponina ka faly ankehitriny, nahazo sy nametrahana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay manome hazavana ny tanàna.
« Efa ela no niaina tao anaty haizina ny mponina ka izao mahatsiaro faly fa mazava ny tanàna, ny elakelan-trano izay natahorana indrindra tamin’ny tsy mbola nisy jiro, ny fahandriam-pahalemana, izay hisaorana feno ny ben’ny tanàna an’Ankadikely Ilafy » hoy i Roger, mponina ao Andafiavaratra.
« Ny fahafapon’ny mponina eny ifotony no tena katsahina ao anatin’ny asa fampandrosoana. Izay no tokony hiezahan’ny tompon’andraikitra ny famaliana sy ny famahana ny olan’ny mponina isan-karazany, indrindra fa izay ilainy sy miankina amin’ny fiainana andavan’andro » hoy i Hasina, mpanao fizaran’asa omba ny fampandrosoana ifotony.
Ny vahoaka faly no afaka mirehareha amin’ny asa tanteraka ao anatin’ny faritra iray, tsy tokony hatao ambanin-javatra araka izany ny famaliana ny antso sy ny hetahetan’izy ireny.
Manitra Ramanantsoa
