ActualitésTsidika

Atsimo Atsinanana: Hafainganina ny fanamboarana ny karinem-pokontany

Ny faritra Atsimo Atsinanana no hisitraka ny karinem-pokontany manaraka indray taorian’i Mananjary sy Manakara. Manentana ny hanafainganana ny fampidirana torohay ao anaty solosaina ny karinem-pokontany ny filoham-pirenena. “Mila hafainganana ny fanaovana « digitalisation » ny karinem-pokontany ao amin’ireo faritra misy tra-boina. Izany dia ho entina hanamorana ny fizarana ireo fanampiana” hoy ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina. Marihina fa ny tany Manakara sy Mananjary no efa nahazo fanampiana. Mbola hisitraka ny Tosika Fameno aza ireo mponina any an-toerana. Vola mitentina 100 000Ariary isan-tokantrano no zaraina ao anatin’io Tosika Fameno io. Efa nahazo toromarika omaly Alatsinainy ny tompon’andraikitra ny hamonjena haingana ny mponina ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Anisan’ireo voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai tokoa mantsy iny faritra iny.

Laisser un commentaire