Fakana an-keriny zazalahy 14 taona : Mitaky vola ireo jiolahy
Vao tsy ela akory izay ny voasambotra ireo tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao Anjozorobe. Tao Ambahiboho Morarano Chrome indray no nisehoana fakana an-keriny ny alahady 9 may teo. Zazalahy 14 taona mipetraka miaraka amin’ny rahalahiny tao Ambahiboho no nisy naka an-keriny tokony ho tamin’ny 07 ora hariva ny alahady teo. Araka ny fampitam-baovao, jiolahy miisa 4 mitondra fitaovam-piadiana no naka an-keriny azy ary mitaky vola mitentina 25 tapitrisa ariary amin’ny fianakaviany amin’izao fotoana. Mipetraka ny Brieville Tsaratanana ny ray aman-drenin’ity zazalahikely ity ary mianatra eo Ambahiboho izy no izao nisy naka an-keriny izao ary mbola tsy tafaverina any amin’ireo fianakaviany. Ireo ankizy hatrany matetika no toa lasibatra amin’ity fakanaan-keriny ity. Miandry fandraisan’andraikitra avy amin’ireo manam-pahefana miandraikitra ny resaka fakana an-keriny sy fanaovana takalon’aina toy itony ny vahoaka fa toa miha-mirongatra hatrany.
Ally Herisoananahary
