Fiompiana : Haverina indray ny fametahana « puce electronique » amin’ny omby .
Noho ireo olana izay natrehana tamin’ny fanatanterahana ity tetik’asa fametahana puce izay hahafahana mitily ireo omby sy hahafahana manavaka ireto omby ireto ity dia nijanona izany. Efa nivaha ny olana ka miverina tsikelikely amin’ny fanohizana izany indray ankehitriny any amin’ireo distrika 17 amin’ny faritra miisa 7. Ny fisafidianana izany toerana izany dia amin’ny alalan’ny fahabetsahan’ny mpiompy omby sy amin’ny alalan’ny tsy fandriam-pahalemana amin’ilay toerana.
« Nanano sarotra ny fanatrarana ny tanjona tamin’ny fanombohan’ny tetik’asa izay tsy nahatratra omby miisa 100 000 araka ny tanjona akory. Tsy maintsy tohizana anefa ny tetik’asa hahafahana miaro ireo mpiompy sy hahafahana manana isa mitombona mahakasika ny omby mbola misy eto Madagasikara. Amoron’i Mania, Sofia, Ihorombe, Anosy, Atsimo Andrefana, Melaky ary i Menabe no hanohizana izany programa izany », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiompiana.
« Tombontsoa ho anay mpiompy ilay izy satria raha sendra very ny ombinay dia fantatra hoe aiza no mety ahitana azy. Mety hahafahana mahita ny toerana fieren’ireo mpangalatra ihany koa ny fitiliana ny lalan-kalehan’ireo omby ireo. Ny tena hitako hoe tombony dia mety hampihena ny tsy fandraiam-pahalemana », hoy i Jacques, mpiompy avy ao Menabe.
Ny rafitra fanaraha-maso ny omby amin’ny alàlan’ny « puce » elektronika dia antenaina hampihena ny isan’ny antontan-taratasy ilain’ny mpiompy biby. Izy io koa dia ahafahana manatsotra sy mampiray kokoa ny fampahafantarana ireo hetsika manan-danja, ary manatsara ny kalitaon’ny toro manodidina izany. Ny vaovao rehetra mahakasika izany dia afaka hojerena alavitrta amin’ny alalan’ny aterineto ary ho sarotra ny manao izany ho osoka.
Miora Raharisolo
