ActualitésTatitra

Etats-Unis : Freddie Figgers, lehilahy nariana tao anaty fako lasa mpandraharaha

Lehilahy hita tao anaty fako fony vao menavava i Freddie Figgers. Narian’ny reny niteraka azy izay tsy nila azy toy ny fako izy hoy izy. Mpivady antsoina hoe Nathan sy Betty Figgers izay efa naniry zanaka lahy no nanangana azy ary nitaiza azy toy ny zaza naterany.

Rehefa nihalehibe i Freddie Figgers dia tonga saina fa manana fahaizana manokana momba ny mekaninan’ireo fitaovana elektronika. 10 taona monja izy dia nahay nandrava sy nanamboatra solosaina, ary teo amin’ny faha 12 taonany izy no niasa voalohany nanao teknisianina informatika.

Telo taona taorian’izany dia mamorona angon-drakitra « cloud » izy ary nahavita nanangana ny orinasa « Figgers Wireless » izay orinasam-pifandraisan-davitran’ny mainty hoditra manana tetibola maherin’ny 62,3 tapitrisa dollars.

Laisser un commentaire