ActualitésTsidika

Ny mponina eny amin’ny manodidina ihany no hiasa ao amin’ny Analamanga Park

Nisy ny fitadiavana mpiasa natao teny Analamanga Park ny 8 septambra lasa teo izay natrehan’ny Governoran’Analamanga. Izany dia ho fanomanana ny fisokafan’i Analamanga Park afaka andro vitsy izay efa tokony ho volana maro lasa izay saingy nisy ny hamehana ara-pahasalama tsy nahafahana nanao izany.

« Tanjona ny hanomezana asa ny tanora eny an-toerana sy ny manodidina ka aleo ny tanora sy ny mponina eny ihany no ho alaina hanao ny asa toy ny fanadioavana ny toerana sy ny fikarakarana azy » hoy ny Ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina Ambalavao. « Ity Analamanga Park ity dia isan’ny fivelomana ho an’ny faritra Analamanga ka mila ny finiavana avy amintsika tsirairay ny fikojakojana azy » hoy ny Governoran’ny faritra Analamanga, Ramaromaka Hery.

« Tombony ho anay tokoa ny fanomezana asa ety ifotony tahaka izao, izahay rahateo tsy dia manana diplaoma ka asa efa mahazatra ihany no atao aty, ny fiainana rahateo efa tena sarotra an dia efa ela ihany koa aza no niandrasanay fatratra izao fampidirana mpiasa izao » hoy i Vololona, mponina eny amin’ny manodidina.

Hafa mihitsy ihany koa raha tsy lavitra eny ihany no mikarakara azy, sady manampy betsaka amin’ny fahasahiranana mianjady ny mponina ny tahaka izao. Irariana tsy hisy fanavakavahana ny fanadraisana ny mpiasa fa ireo sahirana indrindra aza no tena mila atosika hiasa indrindra ny tanora mba tsy hangalatra na ahano zava-dratsy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire