ActualitésTsidika

Tafaverina ny omby 17 tany Farafangana

Nifandona tamin’ny dahalo ireo miaramila avy ao amin’ny 5 BLIG Farafanagna tao amin’ny Kaominina Ambohigogo raha iny nanao fisafoana iny. Azo teny am-pelatanan’ny dahalo ny omby miisa 17 nangalarina tao an-toerana taminn’y faran’ny volana aogositra alsa teo.

« Raha iny hanao fisafoana iny izahay no nifanehatra tamin’ny dahalo, nitady toko ka sendra vato tokoa ny vahoaka satria raikitra ny ady ary azo ny omby efa nangalarin’izy ireo herinandro lasa izay » hoy ireo miaramila tao main’ny 5 BLIG. « Ataovy fay mihitsy ireo dahalo ireo fa tena mampijaly anay vahoaka mihitsy ireo jiolahy ireo, aza mitsitsy tahaka ny tsy hitsitsiany rehefa maka ny ombinay izay mahavatra mandatsa-drà mihitsy aza » hoy i Velotrasina, mponina any an-toerana izay nanana omby very ihany koa.

« Mila ampitomboina ny mpanenjika dahalo ary mila ampitomboina manaraka izany ihany koa anefa ny famoronana asa satria izay ihany no tena mahabetsak any jiolahy, tsy misy ny asa » hoy i Diamondra, tanora mpandraharaha eto Madagasikara.

Rahoviana anefa vao ho fongana tanteraka eto amintsika ny tsy fandriam-pahalemana ? An’iza ny andraikitra ? Mila mifanampy sy mifanohana isika ary mifampitarika amin’ny tsara hatrany.  

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire