ActualitésTsidika

Tsy mbola miverina miasa foana ireo mpiasa noroahina tao amin’ny Kraoma

Mitohy ny ady mangatsiaka eo amin’ny mpiasa sy ny Tale jeneraly vonjimaika ny Kraomita malagasy na Kraoma. Herinandro lasa tokoa izay no nifandimby noraisin’i Praiminisitra Ntsay Christian, no sady misahana vonjimaika ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany ny Tale jeneraly vonjimaika ny Kraoma sy ireo solotenan’ny mpiasa, teny Ampandrianomby ny alatsinainy 30 aogositra 2021.

« Mila averina tsy misy hatak’andro ireo mpiasa rehetra satria sady efa tsy anndray karama efa ho roa taona no mbola noroahina tsy ho mpiasa intsony ihany koa » hoy ny Praiministra tamin’izany. « Tsy mbola nisy hatramin’izao ny taratasy nataon’ny tale mamerina anay hiasa kanefa efa ireny ny teny sy baiko nomen’ny Praiministra » hoy ireo mpiasa. Tetsy an-kilany anefa, nilaza ny Tale Jeneraly vonjimaika, Rakotomanantsoa Nirina, fa « efa manamboatra ny simba amin’ny fitaovana nosoparan’ireo mpiasa ny orinasa ankehitriny, ary efa nanao handrana amin’ny milina sy ny kamiao, ary efa vonona hanomboka hiverina ny fitrandrahana karoma ao Brieville ». Iza izany no hiasa hanao izany? Ireo mpiasa milaza ny mbola niverina ny asa kanefa ny asa ato efa hanomboka ?

« Sarimihtsika ataon’ny tale jeneraly fotsiny izany mba hiarovany ny sezany fa mpiasa 100 angamba sisa no miasa raha 450 izy ireo any Brieville no sady mbola mitsimpona Chrome amin’ny tanana sy manao asa fiambenana ary fikojakojana milina fotsiny ihany » hoy hatrany ireo mpiasa. Marihina fa efa noesorina avokoa ireo sorabaventy nanemotra ny toeram-piasana etsy Ampefiloha, foiben-toeran’ny orinasa. Mifanilaka hatreto ny andaniny sy ankilany amin’ireo milina nisy nanimba, ary hita fa nisy naka ny varahana sy ny aluminum milanja 2 taonina teo amin’ny fitaovan’ny Orinasa.

Mbola mihenjana hatrany ny tady amin’ny roa tonta, ny karama rahateo tsy misy tohiny ny fandoavana azy, izay efa tsy voaloa efa ho 2 taona mahery izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire