Andro tsy fiasana fa handraisan-karama ny rahampitso 13 may
Efa maro ary miha-mifaninana amin’ny isan’ny kristianina ry zareo silamo eto Madagasikara amin’izao. Rahampitso 13 no ankalazan’ny mpino silamo ny Eid Al-Fitr, fety entin’izy ireo hanamarihana ny fahavitan’ny “ramadán”. Nilaza araka izany ny minisitry ny asa sy ny fampananan’asa fa natao ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama ny andron’ny rahampitso 13 may ho an’ireo mpiasa rehetra eto Madagasikara. Ny fiandohan’ny taona 2021 no namoahana ny fanambarana milaza fa natokana ho isan’ny andro tsy fiasana fa handraisan-karama eto Madagasikara ny andro izay ankalazan’ireo silamo ny Eid Al-Fitr sy ny Eid Al-Adha manaraka ny fandaharam-potoana an’zareo silamo. Antony roa araka izany no tsy hiakaran’ireo Malagasy any am-piasana hoa n’ny rahampitso, eo ny fankalazan’ny silamo ity fety iray lehibe ho an’zareo ity fa eo ihany koa ny “Ascension”, fiakaran’i kristy any an-danitra ho an’ny kristianina.
Ally Herisoananahary
