ActualitésTatitra

Comores : Misokatra ho an’ireo mpifindra monina ao Mayotte maniry ny hody ny sisin-tanin’ny nosy

Nanao fanambarana i Comores fa mahazo miverina ao an-toerana avokoa ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna rehetra ao Mayotte teratany komoriana ary maniry ny hody. Tsy terena noho izany ny fodiana hoy ny mpitondra tenin’i Comores, Houmed Msaidie fa ireo izay manam-paniriana hiverina ao amin’ny nosy Comores dia entina avokoa.

Mbola fifandirana goavana eo amin’i Paris sy Moroni kosa io raharaha fialàn’ny mpifindra monina tsy ara-dalàna ao Mayotte io. Raha tsiahivina dia tafiditra ao anatin’ny hetsika Wuambushu izany. Marihana nefa ny ankahamaroan’ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ao an-toerana ireo dia teratany komoriana avokoa.

Marihina ihany koa fa faritany frantsay i Mayotte, antony hidiran’izy ireo lalina amin’ny raharaha izany. Ny tanjon’izy ireo dia ny fandroahana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna rehetra avy ao Comores ho ao amin’ny nosy Anjouan izay isan’ny vondronosin’i Comores akaiky an’i Mayotte indrindra.

Laisser un commentaire