ActualitésTsidika

Yamaha : Mikaroka ny fahafaham-pon’ny mpisehatra rehetra manodidina ny orinasa

Mikaroka izay rehetra hahafa-po ny olona misehatra mamelona ny orinasa rehetra ny Yamaha. Tafiditra ao anatin’izany ny mpiasa, ny mpiara miombon’antoka ary ihany koa ny mpanjifa, ny fiaraha-monina manodidina ny orinasa ary ihany koa ny tontolo iainana. Ny tanjona amin’izany moa dia ny ahafahana mampitombo ny lanjan’ny orinasa sy ny vokatra isan-karazany, ahafahana mampitombo ny varotra.

Manolotra vokatra sy servisy ho an’ny mpanjifa izay mampiditra ny teknolojia vaovao izy ireo ho tombontsoan’ny mpanjifa irery ihany izany. Manamafy ny fandraisan’ireo anjara amin’ny fanasoavana ny mpisehatra rehetra ihany koa ny fomba fitantanana izay manome lanja ny mpiasa, ny fametrahana fitokisana amin’ireo mpiara miombon’antoka. Tsy ambakan’izany ihany koa ny famoahana vokatra entina hanasoavana ny fiarah-monina ahafahan’izy ireo manamora ny fiainany. Farany amin’izany ny ho an’ny tontolo iainana, ny fomba fitantanana ny orinasa tsy hamoaka entona mandoto betsaka loatra intsony.

Fahafaham-po ho an’ireo mpisehatra rehetra izany sady fanatanterahana ny fampanantenana ho an’ny fampnadrosoana izao tontolo izao.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire