ActualitésTsidika

Fitaterana : Ela no niandrasana ny zotra an-dalamby Moramanga – Toamasina

Hiverina hiasa indray ny zotra an-dalamby mampitohy an’ny Moramanga amin’ny Toamasina ny voalohan’ny volana jona izao. Ankoatra ny fandehanan’ny zotra mpitatitra entana dia ny an’ny mpandeha indray araka izany ity hiverina hiasa ity. Tafiditra ao anatin’izany ny mpandeha tsotra sy ny mpizaha tany. Ho fanomanana izany fiverenana lehibe izany dia efa nisy ny fivoriana izay notanterahin’ireo tompon’andraikitrta rehetra.

« Hiainga avy ao Toamasina eo amin’ny Gare Manguiers hatrany Moramanga ny zotra. Mandalo an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe. Vinavinaina hisy in-droa isak’erinandro ity fitaterana ity », hoy ny avy ao amin’ny Koaminina Toamasina.

Anatin’ny vinan’asam-pampandrosoana ny fanarenana ireo fitaovam-pitaterana rehetra izay hahazoan’ny mpisehatra tsy an-kanavaka tombontsoa. Zava-baovao tsara hiainana ho an’ireo ankizy sy tanora aty aoriana ihany koa izany. « Tena feno ary tena ampoka kokoa izao raha tafaverina amin’ny laoniny ihany koa ny zotra hatrany Antananarivo. Expérience tena tsara io mandeha lamasinina io ary tsara hiainana na indray mandeha fotsiny ihany eo amin’ny fiainana aza », hoy i Voahirana, renim-pianakaviana nankasitraka ity tetik’asa ity.

Efa mandroso be ny asa ary efa miandry ny fotoana hanombohan’ny fitaterana fotsiny sisa ireo mpitia izany. Hisy ny 1ère classe sy 2e classe. Toamasina-Moramanga isaky ny sabotsy amin’ny 6ora maraina ary Moramanga Toamasina isaky ny alakamisy amin’ny 6ora maraina ihany koa. Hisy koa ny Moramanga-Ambila Lemaitso isaky ny Alahady sy Talata.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire