ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Namoaka ny mpiofana andian’ny voalohany ny CFP Belanitra

Ny faran’ny herinandro teo no namoahana ny andiany voalohany tamin’ireo mpiofana ho « machiniste de confection » tao amin’ny CFP Belanitra, kaominina Ankadikely Ilafy. Mitondra ny anarana « Fivoarana » ireto andiany, araka ny voalaza.

« Iray volana no faharetan’ny fiofanana nataon’ireto andiany ireto. Afaka miatrika ny sehatry ny asa matihanina avy hatrany izy ireo aorian’izao fahazoana ny « attestation de compétence » izao » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Marihina fa izao no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny CFP Belanitra sy ny Orinasa « CONFECTEX » ary ny fiadidian’ny kaominina Ankadikely-Ilafy. Hezahina hatrany ny hitohizan’izao fampiofanana izao ho fanampiana ireo ny tanora eto an-toerana amin’ny fampananan’asa » hoy hatrany ny fanazavana.

Tsiahivina fa ara-panjakana ity fiofanana ity ary ny avy amin’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa no nanolotra ity fanamarinam-pahaizana ity. Ahazoana vokatra tsara eo amin’ny lafin’ny fampandrosoana ny fampiofanana tahaka izao, indrindra ho an’ny tanora.

Manitra R.

Laisser un commentaire