France : Maty namono tena i Michel Cordes
Tsy ny Malagasy ihany no tratran’ny depression. Mpilalao sarimihetsika sady mpanoratra i Michel Cordes. Namoy ny ainy teo amin’ny faha-77 taonany izy ny 5 may teo. Raha ny fantatra dia nitifi-tena tao an-tranony tao Grabels, Hérault i Michel Cordes. Ireo mpiray vodirindrina taminy kosa no nanapa-kevitra niditra tao an-tranony rehefa tsy nahita azy nandritra ny fotoana naharitra.
Nisokatra ny vavahadin’i Michel Cordes, kanefa tsy mahazatra azy ny manokatra izany ary nihidy nandritra ny roa andro ny varavarankelin’io mpilalao sarimihetsika raha ny fanazavan’ny mpiray vodirindrina taminy. Manoloana izany dia niditra tao amin’ny trano izy ireo ary nahita ny razana sy taratasy telo, ny iray ho an’ny zanany vavy, ny iray ho an’ny zandary ary ny iray farany ho an’ny tompon’andraikitry ny hetra.
Efa nomanin’i Michel Cordes noho izany ny famonoan-tenany. Raha ny fanazavana dia nosarahan’ny olo-tiany izy iray volana mahery talohan’ny tranga ary tafalatsaka tao anaty « depression ».
