ActualitésTsidika

Tontolo iainana : Najoro ny « Fonds Business Biodiversités Océan Indien » ao anatin’ny porgraman’asa Varuna

Efa am-perin’asa amin’izao fotoana izao ny « Fonds Business Biodiversités Océan Indien » izay tafiditra oa anatin’ny fandaharan’asa Varuna. Ity vola ity izay natao indrindra hanampiana ara-bola ny fiarovana ny tontolo iainana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny tany tsy ho kahon’ny riaka sy ny zava-manan’aina rehetra aty amin’ny Nosy mitoetra aty amin’ny tapany Atsimo Andrefana. Anisan’ny fampandraisana andraikitra ireo orinasa mpanimba tonotolo iainana ihany koa izany.

« Ho atolotra ireo fikambanana orinasa na orinasa aty amin’ny faritanin’ny Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles ity fonds ity. Tsy ny orinasa rehetra anefa izany fa ireo izay mahafeno ny fepetra ihany. Izany hoe ireo orinasa manana vinan’asa misy fiantraikany tsara amin’ny zava-manan’aina rehetra. Asa izay mifantoka amin’ny fiarovana sy fanarenana ny tontolo iainana na an-dranomasina izany na an-tanety. Eo ihany koa ireo tetik’asa ara-ekonomika misy ankony amin’ny tontolo iainana tsara », hoy ny avy ao amin’ny fandaharan’asa Varuna.

Araka izany dia hisy ny fampahafantarana misimisy kokoa ity hetsika ity ny 15 sy ny 25 mai ho avy izao ho an’ireo orinasa izay liana amin’izany. Afaka misoratra anarana hisitraka izany fanampiana izany avokoa ny orinasa rehetra saingy tsy maintsy hisy ny fifantenana izay tena azo antoka. « Tsy maintsy haharitra 24 volana ny tetik’asa ho tanterahina izay mety hahatratra hatramin’ny 90% amin’ny vola ialina ny fanampian’ny Varuna. Arakaraky ny asa mandrika anefa no hahazoana izany », hoy hatrany ny fanazavana.

An-jotra tanteraka ireo fotoana fampahfanatarana ny hetsika ireo izay azo jerena ao anatin’ny www.varuna-biodiversite.org (rubrique projets) ny lalana hahafahana manatrika izany. Hatramin’ny 19 jona amin’ny 2ora tolak’andro ny fisoratana anarana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire