Anjeva : Ho avy tsy ho ela ny « tournoi open combat libre 2023»
Ho avy tsy ho ela ny fifaninana lehibe « tournoi open combat libre 2023 » , izay fifaninana baolina kitra, ao amin’ny kaominina Anjeva. Maharitra efa-bolana ity lalao fifaninana ity, ary izany no anisan’ny mampiavaka azy, araka ny voalaza.
« Hanomboka amin’ny volana jona 2023 ny tournoi open libre ity kanefa amin’izao fotoana dia efa alefa ny fanentanana sy ny fampilazana mba hahafahana manomana ireo izay liana, ny ekipa vonona handray anjara ihany koa mba hahazo ny toromarika mialoha mahakasika ny fifaninana » hoy ireo tomponandraikitra mpikarakara.
« Tsy tahaka ireo fifaninana baolina kitra mahazatra ity tournoi ity satria « open combat libre » izany hoe afaka miova foana ireo mpilalao ao anatin’ny ekipa. Mahazo amboara avokoa ireo ekipa hatramin’ny faha-efatra amin’ny fifaninana ary miavaka ny fitsipi-dalao sy ny fandraisana anjara » hoy hatrany ny fanazavana.
Zava-dehibe eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahan-tena indrindra ny baolina kitra ny fifaninana tahaka izao. Hita tokoa fa mitombo lenta hatrany ity taranja ity rehefa misy ny fandraisana an-tanana sy fikarakarana lalao tahaka izao.
Manitra R.
