SocialTsidika

Haino aman-jery tsy miankina : niara-nidinika tamin’ny Minisiteran’ny serasera

Isan’ireo resaka nafana tamin’iny herinandro lasa iny ny fampiatoana ireo fandaharana politika sy heverin’ny mpitondra ho manohitohina ny filaminam-bahoaka. Tsy vitsy anefa ny tsy nankasitraka izany satria tsy manakana ny ady amin’ny Covid-19 akory ny fanehoan-kevitra ara-politika. Nisy ny fihaonana sy fiaraha-midinika teo amin’ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy sy ireo tomponandraikitry ny haino aman-jery tsy miankina maro ny alatsinainy 26 aprily teo teny Anosy. Niresahana momba ny fanapahan-kevitra nampihatoana ny fandaharana ataon’izy ireo no anton’ny fivoriana. Nilaza ireo haino aman-jery tsy miankina fa tsy manohitra ny hamehamana ara-pahasalamana sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ka mangataka ny hamerenana ny fandaharan’izy ireo. Tsy mitondra fandrangitana ara-politika na fampisaraham-bazana, na fanohintohinana ny filaminambahoaka ny fandaharana ataon’izy ireo fa tena hanampy sy hanentana ny vahoaka amin’ny ady atao amin’ny coronavirus ary vonona hitandro ny firaisam-pirenena ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao. Noho izany dia nisy ny marimaritra iraisana teo amin’ny minisitera tomponandraikitra sy ireo haino aman-jery tonga tamin’izany dinika izany ka hisy ny fanapahan-kevitra vaovao ho raisin’ireo minisitera isan -tsokajiny namoaka ny fanapahan-kevitra nampihatoana ireo fandaharana ireo. Nilaza ny minisitry ny serasera fa sanatria tsy fanohintohinana ny asa fanaovangazety sy fanampenambava azy ireo no antony nandraisana ny fanapahankevitra toy izao fa fitandroana ny firaisampirenena ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina hatrehana sy ny hamehana ara-pahasalamana ka ilàna ny firaisankina ny rehetra. Manohitohina ny fiatrehana ny hamehana ara-pahasalamana tokoa ve ireo fandaharana izay efa nisy talohan’ny Covid-19 ireo ny ankamaroany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire