SocialTatitra

Inde : Tsy voafehy intsony ny valan’aretina coronavirus

Hopitaly maro any amin’ny faritra avaratry ny firenena indianina no manambara fa tsy manana « oxygene » intsony, amin’ny alalan’ny peta-drindrina eo amin’ny toeram-pidirana eo amin’izy ireo. Tsy maharaka ihany koa ny famenoana ireo tavoahangy hasiana izany, raha ny voalazan’ny orinasa mpamokatra izany ao avaratr’i Inde, ao Hyderabad. Nilaza ny hanampy ity firenena ity ny vondrona eropeanina sy ny ireo matanjaka maro. Mifaninana amin’ny fandefasana fanampiana kosa ny amerikanina sy ny sinoa. Vao herinandro lasa anefa izay no nampanantena ny fitondram-panjakana ao Inde fa handamina ny mahakasika ity raharaha ity. Niova tao anatin’ny andro vitsy anefa izany ary efa tsy voafehy intsony ny aretina nohon’ny fahafenoan’ny hopitaly, ahitana marary avokoa ireo toerana rehetra. 

Laisser un commentaire