La Réunion : Fikambanana iray no namarotra vokatry ny tany 1 euro isaky ny kilao monja omaly
Nanatontosa hetsika ny fikambanan’ny mpamokatra sy ny mpamboly sy mpiompy ny Grand Sud amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. Namarotra legioma sy voankazo maro tamin’ny vidiny 1 Euro monja isaky ny kilao izy ireo omaly 27 desambra tao Oliviers tao Bois d’Olive Saint-Pierre.
Io hetsika io dia teo ambany fitarihan’ny SIDR sy ny SHLMR. Ny vola azo amin’izany koa dia harotsaka ho an’ireo fikambanana misahana ny ankizy ao amin’ny nosy.
