ActualitésTatitra

Maurice : Tafiakatra 596 466 ny mpitsidika ny nosy nandritra ny enim-bolana voalohany

Tsy mitsaha-mivoatra ny sehatry ny fizahantanyao amin’ny nosy Maurice. Mpitsidika 82 208 indray no nigadona tao amin’ny nosy ny volana jona teo raha 63 008 izany tamin’ny taona lasa. Mampiakatra ny isan’ny mpitsidika tonga tao an-toerana nandritra ny tapany voalohan’ny taona ho 596 466 izany.

Avy ao France ny 147 325 isa tamin’ireo raha ny fanazavana ; avy ao Allemange kosa ny 54 085 ; 12 932 avy ao Italie ; 63 424 avy ao Royaume-Uni ; 62 440 avy ao La Réunion ary 45 908 avy ao Afrique du Sud. Ho an’ny vola azo tamin’izany kosa dia niakatra 72% raha noharina tamin’ny taon-dasa. Teo anelanelan’ny volana janoary sy aprily fotsiny dia nahazoana Rs 28 900 tapitrisa (3 tapitrisa tapitrisa Ar) izany.

Laisser un commentaire