Anjeva : Fandaharam-potoana lalao baolina kitra faran’ny herinandro
Mitohy hatrany ny fifaninanana baolina kitra (tournoi open 2023) ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Efa nivoaka ny fandaharam-potoana amin’ireo lalao hiseho amin’ity faran’ny herinandro ity.
« Ho an’ny andron’ny sabotsy 15 jolay., hanomboka amin’ny 1ora tolak’andro ny lalao. Hifandoana mandritra izany ny Sélection Anjepy sy ny Jeune Famille avy eny Ankats. Amin’ny 03ora kosa ny 4FL Avy ao Lambomanana hifandona amin’ny SEA Ambohimalaza » hoy ireo mpikarakara.
Tahaka ireo fandaharam-potoana mahazatra no sady entina hampialana voly ny mpitia baolina kitra dia hanomboka amin’ny 10ora maraina ny lalao ny alahady. Hiakatra kianja voalohany ny ekipan’Antsaniony Miadanandriana, hifandona amin’ny TIKO Ambohimalaza. Aorian’izay ny lalao hifanatrehan’ny Interpool Anjeva sy ny TAFIFA Ambohimanambola. Amin’ny 03ora kosa UZA 17 Andravoahangy sy ny Combatif Ambonierana.
Ekipa sangany avy any amin’ny kaominina tsirairay avy avokoa moa ireto mandray anjara amin’ny fifaninana ireto. Ireo mpanohana araka izany sisa no handrasana amin’ireo faran’ny herinandro ireo.
Manitra R.
