Alasora : Anisan’ireo kaominina maro mpifindra monina indrindra
Anisan’ny iray amin’ireo kaominina mandrafitra ny distrikan’Avaradrano ny kaominina. Araka ny voalaza, dia maro ireo mpifindra monina sy manorim-ponenana ao an-toerana ka mahatonga ny fiovana sy ny fivoaran’ny kaominina.
« Raha oharina ny taona 2018 ny vokatry ny fanisana ny mponina sy ny fanorenena izay miseho ety an-toerana, dia hita ho nisy fiakarany manodidina ny 3% ny isan’ny mponina ety an-toerana. Antony maro no mety mahatonga izany, fa hita tena nampivelatra sy nampiova an’Alasora izany » hoy ireo tompon’andraiktra ao amin’ny kaominina.
« Anisan’ny misongadina ety an-toerana efa maro ireo sehatra sy orin’asa maro nitsangana ka mahasarika olona ny hanorim-ponenana ety Alasora sy ny manodidina. Eo ihany koa ny antony hoe manakaiky ny renivohitra izy ary anisan’ny miavaka na ara-jeografia na ara-piaraha-monina mitaha amin’ireo kaominina hafa manodidina » hoy i Domoina, mpianatra momba ny fiaraha-monina.
Efa maro tokoa ireo rafitra na sehatra izay mamaly ny filàn’ny mponina ary mitondra fivoarana sy fiovana hita ao amin’ny kaominina Alasora. Na dia eo aza anefa izany, anisan’ny miteraka olana eo amin’ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny sehatra maro ny tsy fahafehezana ny hamaroan’ny mponina izany.
Manitra Ramanantsoa
