Dépêches

Banque Centrale : Tanteraka omaly ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ireo Governora roa.

Dépêche 06 janvier, 12h, Tanteraka omaly 05 janoary ny fifamindram-pitantanana teo anivon’ny Governora vaovao sy ilay Governora teo aloha izay nametra-pialana. Handray ny asany avy hatrany kosa ity Governora vaovao Aivo Andrianarivelo ity vantany vao vita ny fianianana izay tokony hatao. Ao amin’ny Lapan’ny Fitsarana no hanatanterahana izany fianianana izany izay tsy maintsy hatao amin’ny teny malagasy araka ny rafitra misy eo anivon’ny Banque Centrale.

Laisser un commentaire