Tontolo iainana: Nisitraka fanamafisana tarikefa ny vondron’olona ifotony mitantanana ny ala honko ao melaky.
Dépêche 02 juin, 14h, Taorian’ny fanaovan-tsonia ny fanavaozana ny famindram-pitantanana ny ala honko, tantanin’ny VOI tao Antsalova faritra Melaky dia nampiofanina ireo VOI ireo. Tantsoroka sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Vondron’olona ifotony(VOI) no natolotry ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy sy ny mpiara-miombon’antoka nahitana ny WWF sy ny Code Menabe. Mahakasika ny fiarovana ireo ala honko ireo ny fampiofanana natolotrta. Niampy ireo fahaiza-manao ara-teknika isan-karazany mahakasika io asa io. Izany rehetra izany dia hahafahany mitantana araka ny tokony ho izy ny harena voajanahary. Solontenan’ny birao miisa 28 no nisitraka izany fampiofanana izany.
