Fizahantany : Tsara ny vokatra tamin’ny taona 2022 ary tsara lavitra ny fanombohan’ity taona 2023
Dépêche 08 février, 12h, Nioty ny vokatra tsara avy amin’ny ezaka rehetra izay natao manodidina ny fizahantany i Madagsikara satria niisa 132 018 ireo mpizaha tany tonga teto Madagasikara tamin’ny taona 2022. Mbola tsara lavitra noho izany ihany koa ny fanombohan’ity taona 2023 ity satria dia miisa 10 157 sahady ireo mpizahatany no efa nandalo teto Madagasikara nisitraka ireo kanto rehetra eto an-toerana. Izany isa izany izay avo folo heny mihoatra ny tamin’ny taona lasa tamin’io fotoana iray io. Fomba iray tena tsara hampiakarana ny toe-karen’i Madagasikara ity fizahantany ity ka tokony hararaotina amin’izao fotoana mampiroborobo azy izao.
