Fanabeazana : Mpampianatra miisa 152 tao Ihorombe nahazo fifanarahana arak’asa
Dépêche 04 mai, 12h, Toy ireo faritra maro izay nisitrahan’ny mpampianatra aman-jatony fifanarahana araka asa dia nahazo ny anjarany ihany koa I Ihorombe. Miisa 152 ireo mpampianatra no voaray ho mpiasam-panjakana ka nahazo ny fifanarahana araka asa. Tafiditra ao anatin’ny andiany fahasivy amin’ireo voaray ho mpiasam-panjakana ireto mpampianatra ireto. Nifanindrandalana tamin’izany indrindra dia miisa 240 ihany koa ireo mpampianatra sy mpianatra sangany any an-toerana no nisitraka bisikileta. Izany rehetra izany no natao dia ahafahana manatsara hatrany ny lafiny fampianarana indrindra any amin’ny tontolo ambany vohitra
