Dépêches

Foto-drafitr’asa : Nahazoana alalana ny fanotorana ny tany eny Amoronankona

Dépêche 04 mai, 11h, Nankatoavin’ny filankevitry ny Minisitra ny fanotorana ny tany eny Amoronankona PK0+00. Ilaina ho amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka izany tany izany. Tafiditra ao anatin’ny tetik’asa ahafahana manatsara ny fitaterana eto andrenivohitra sy mampifanaraka izany amin’ny fivoaran’ny toetr’andro ity asa ity. Zotra andrana amin’ny lalambe Rocade Iarivo no hanaombohana ny tetik’asa ka izany no ilaina ity fiantsonana ity. Ny orinasa Sogea Satom no nahazo ny asa rehetra amin’ny tetik’asa izay vatsian’ny AFD, ny Banky Eropenina ho amin’ny Fampiasam-bola, ny UE ary ny Governemanta Malagasy vola.

Laisser un commentaire