Sabotsy Namehana: Miverina amin’ny fahasimbany ny lalana ao Antsofonondry
Vao tsy ela no nirorsaka an-tsehatra nitondra fanamboarana ny lalana rari-vato ao Antsofonondry ny avy amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Amin’izao fotoana izao miverina amin’ny fahasimbany ny lalana ao an-toerana, araka ny voalaza.
« Mampalahelo ny zava-mitranga mahakasika ity lalana ity. Lalana manala ny fahasahiran’ny olona maro ary be mpampiasa ity lalana ity kanefa dia izao potika, tsy misy fanaraha-maso ny fetra ny hafaiganam-pandeha sy ny lanja mandeha eto » hoy i Tiana, mpampiasa ny lalana.
« Efa nisy hatany ny fanentanana sy ny fiaraha-mientana amin’ny fanamboarana ity lalana ity, saingy olana hatrany amin’ny tomponandraikitra sy manam-pahefana no hita ho tena olana. Tsy ampy ny sazy, tsy ampy ny fanarahana fepetra ka samy manao izay tiany ireo mpampiasa ny lalana » hoy i Dany, mponina ao Sabotsy Namehana.
Tsikaritra tokoa fa misy ireo fiara sahy mandika ny fepetra sy ny fefy tsy azo ihoarana amin’ity lalana ity. Ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra, araka izany ve no olana? Sa ny tsy fampiharana ny lalàna hifampifehezana?
Manitra R.
