ActualitésTsidika

Fizahantany : Nandroso vahaolana ny Ministra

Nisy ny fihaonana nataon’ny Minisitry ny Fizahantany tamin’ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany tao Nosy Be izay niresahana indrindra ny fiverenan’ireo sidina iraisam-pirenena any an-toerana. Maherin’ny 160 ireo mpandraharaha nanatrika ity fihaonana ity, niaraka tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana.

« Tsy azo ihodivirana anefa ny resaka fahasalamana ao anatin’izay fanapahan-kevitra rehetra horaisinaho fiarovana hatrany ny mponina, manoloana ny aretina covid-19 » hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randriamandranto Joel. « Mila omena lanja hatrany anefa ny fizahantany eto anatiny mba tsy ho tompon-trano mihono isika » hoy i Herilanto, mpandraharaha amin’ny fizahantany any Nosy Be. « Na izany aza mila jerena akaiky ny olan’ny fizahantany mifanaraka amin’ny fahasalamam-bahoaka manoloana izao fiparitahan’ny aretina izao mba tsy hidiran’ny variant oMicron eto amintsika indray » hoy i Lanja, mponina any Nosy Be Hell Ville.

Marihina fa efa mikatona amin’i Afrika Atsimo ny habakabak’i Madagasikara amin’izao noho ny fisian’ny variant oMicron any amin’ny firenena sasany any Afrika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire