ActualitésTatitra

Comores : Handray anjara amin’ny « Tournoi 4-Nations » ao Arabie Saoudite

Rehefa tsy nanatrika indroa tamin’ny lalao FIFA ny ekipam-pirenana vehivavin’i Comores eo amin’ny taranja baolina kitra dia hiakatra kianja iraisam-pirenena indray amin’ny alalan’ny « Tournoi 4-Nations ». Fifaninana ara-pirahalahiana izay nahazoan’i Comores fanasana tamin’i Arabie Saoudite io lalao io, hotontosaina ao Dammam ny volana janoary 2023 izao.

Manomboka ny 11 hatramin’ny 19 janoary janoary ny fifaninana ary firenena efatra no handray anjara amin’izany arakin’ny anaran’ny fifaninana. Tafiditra ao anatin’izany ny mpampiantrano ny lalao, Comores, Pakistan ary ny nosy Maurice. Marihana fa tamin’ity taona 2022 ity i Arabie Saoudite vao nahatsangana ekipam-pirenana vehivavy eo amin’ny taranja baolina kitra. Ny 22 febroary 2022 teo ny lalao iraisam-pirenena voalohany nataon’izy ireo manoloana an’i Seychelles.

Laisser un commentaire