Cisco Avaradrano : Notolorana fitaovana entina manatsara ny asa
Noho ny firaisan-kina teo amin’ny cisco sy ireo Zap manerana ny distrikan’avaradrano dia tratra ny tanjona nandritra ny hetsika fitadiavam-bola izay nataon’izy ireo entina hanohanana sy hanampiana ny Cisco eto amin’ny distrikan’avaradrano. Raha ny voalaza, fitaovana vaovao, solosaina, enti-manatsara ny asa no natolotra azy ireo.
« Entina manatsara sy manafaingana ny asa eto anivon’ny faripiadidiam-pampianarana Antananarivo Avaradrano no anton’izao fanolorana izao. Nandritra izany lanonana izany ihany koa no nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana tamin’ny ezaka vitan’izy ireo » hoy ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny hetsika.
« Ny lehiben’ny CISCO Avaradrano dia maneho fankasitrahana ho an’ireo ben’ny tanàna ato anatin’ny Distrika amin’ny fanohanan’izy ireo ny sehatry ny fampianarana, ary nisaotra manokana ny ben’ny tananàn’Ankadikely-Ilafy amin’ny tolo-tanana mandrakariva izay ataony eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto amin’ny distrika » hoy ireo avy amin’ny distrika.
Zava-dehibe tokoa ny fifanohanana sy ny fiaraha-miasa raha te hampandroso ny sehatra iray, ary ny sehatry ny fampianarana dia mila izany indrindra hahafahana mampandroso ny zaza malagasy. Nanontrona izany lanonana izany moa ny solo-tena avy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana, ny DREN Analamanga, ary ireo tomponandraikitra misehatra amin’ny fanabeazana.
Manitra Ramanantsoa
