Dépêches

Toliara : Dibo-drano tanteraka noho ny habetsaky ny rotsak’orana.

Dépêche 23 décembre, 12h, Noho ilay andro ratsy izay efa manakaiky ny faritanin’ny Madagasikara dia nitombo betsaka ny rotsak’orana tany amin’iny faritr atsimon’ny Nosy iny. Dibo-drano tanteraka i Toliara amin’izao fotoana izao ary tsy misy ny asa afaka mandeha noho izany. Tapaka ihany koa ny herinaratra any an-toerana. Mampalahelo anefa fa i Androy izay faritra tena mila rano indray no tsy nahitana orana afatsy kely fotsiny. Vahaolana maharitra amin’izany ny fampiasana ny ranomasina havadika ho rano fisotro ka halefa any amin’iny faritra iny satria na ny orana aza dia tsy mety tonga any noho ny hain-tany be loatra.

Laisser un commentaire