Fankalazana ny fety : Efa hita eny an-tsena ireo akoho amam-borona manamarika izany.
Dépêche 23 décembre, 13h, Efa hita maro eny amin’ny tsena rehetra eny ireo akoho amam-borona manamarika ny fety toy ny akoho sy ny vorontsiloza sy ny gisa ary ny gana. Ireo izay manana fahefana amin’izany moa dia matetika ireny hatrany no hatao laoka rehefa mankalaza fety toy izao. Manodidina ny 20 000ar ny akoho, 30 000ar ny gana ary 90 000ar ny vorontsiloza sy ny gisa. Nahitana fiakarany izany raha ho amin’ity taona ity. Etsy andaniny anefa dia efa maro ireo fikambanana manao asa soa no mizara vatomamay sy kilalao ho an’ireo izay tena sahirana sy tsy manana fahefana amin’ny fankalazana ny fety amin’ny lafiny sakafo. Tsara tadidiana anefa fa fety izao indrindra no tokony hampisehoana ny firaisan-kina ka hifanampiana amin’ny lafiny rehetra.
