Dépêches

Ankorondrano: Vola nipitika avy eny ambony moto ka noraisim-potsiny

02 Oktobra, Tamin’ny herin’andro lasa teo; teny alarobia teny no nisehoan’ity tranga iray ity. Araka ny nambaran’ireo nanatry maso dia nisy roalahy nitondra kodiaran-droa (moto)  avy any Ankorondrano hiazo any Tsarasaotra. Nandeha mafy izy ireo ka latsaka tampoka ilay kitapo teny an-tanany; izay feno vola ka niparitaka erakiny arabe. Nifandrombaka ny olona araka izany; samy naka izay azon’ny tanany. Kinanjo, niverina tampoka izy roalahy; izay tsy nisy resaka fa avy dia namoaka basy ary nanery ireo olona izay naka ny volany mba hamerina azy. Nentiny tahotra moa ny olona ka namerina tsy satry izay efa mba voarahiny teo. Mampametram-panotaniana ny maro araka izany ity tranga ity sy ny momba ireto tovolahy ireto.

Laisser un commentaire