Sabotsy Namehana: Nametrahana jiro manazava ny tanàna
Voapetaka tamin’ny herinandro teo ireo jiro manazava ny tanàna, mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. Nandritra ny fandalovan’ny avy amin’ny ministera misahana ny angovo sy ny akoran’afo moa no nametrahana jiro 100 isa tao an-toerana, araka ny voalaza.
“Tonga nidina tety amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ny minisitry ny angovo sy ny akoranafo, Solo Andriamanampisoa, ka nandrehitra jiro miisa 100 ho fanazavana ny tanàna. Mitondra fahazavana ho an’ny tanàna no mitondra fihiratan’ny saina ny jiro. Rehefa izay no tafapetraka dia milamina ihany koa ny tanàna” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Niova endrika ny tanàna ary mazava ihany koa ny arabe hatramin’ny nisian’izany ka faly ireo mponina ao an-toerana. Hisaorana ny tomponandraikitra mahefa nihaino ny fitarainan’ny vahoaka . Teo aloha maizina ireo andrin-jiro teo aloha ka nampahazo vahana ny mpanao asa ratsy. Hinoana sy hantenaina fa hitondra fiovana izao ezaka izao” hoy i Fabien, mponina ao Sabotsy Namehana.
Taratry ny fandrosoana ny fisitrahan’ny mponina ny hazavana. Ao anatin’ny fahazavana no misy fandriam-pahalemana. Ilaina anefa ny fiaraha-mientana ao anatin’izany ka tokony ho samy sarotiny ny rehetra amin’ny fanajana ny fananana iombonana, indrindra ny fiarovana izany amin’ireo mpangalatra jiro sy tia kely.
Manitra R.
