Ambohimanambola : Efa nanomboka ny asa fanamboarana ny toerana fitsinjarana fako
Efa nanomboka ny asa fanamboarana ny “site de tri” na ny toerana fitsinjarana fako ao amin’ny koaminina Ambohimanambola. Ny faran’ny herinandro teo no nirotsaka teny an-toerana, hanatanterahana ny fanamboarana izany ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina sy ny servisy Raoka Fako.
“Toerana fitsinjarana ny fako sy ny fanodidina azy ho lasa zezika no hapetraka ety an-toerana. Efa manomboka ankehitriny ny asa fanamboarana ary hirosoana tsy ho ela amin’ny fananganana fikambanana mpitsinjara fako sy fampiofanana compost ny fokontany Iharamy, izay vohitra Talakimaso ny servisy rano fanadiovana fidiovana” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Ilaina hatrany ny manao ny “etude d’impact” amin’ny fametrahana toerana tahaka izao, indrindra ny vokatr’izany eo amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny mponina manodidina. Raha ny fokontany Iharamy dia milamina amin’ny lafiny rehetra ka tsy tokony hanova na hiteraka olana ny fametrahana izany” hoy i Andry, mpianatra amin’ny ambaratonga ambony.
Manomboka mihitatra hatrany ny fametrahana ny servisy Raoka fako ao amin’ny kaominina. Amin’izao fotoana dia fokontany roa no misitraka izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny vinan’asan’ny servisy Raoka fako moa ity fametrahana site ity. Marihina fa ao amin’ny fokontany Iharamy no hametrahana izany.
Manitra R.
