SportTsidika

Ankadinandriana : Hisy lalao baolina kitra amin’ny taom-baovao

Ny lalao baolina kitra hatrany no hitsenana ny taona vaovao any Ankadinandriana Avaradrano. Hotontosaina ny 1 janoary izao ny « Tournoi Mafy Be » any an-toerana.

« Miantso ny mpikatroka ny taranja baolina kitra rehetra eto Ankadinandriana izahay handray anjara. Afaka mandray anjara avokoa izay rehetra vonona » hoy ireo mpikarakara. « Aty amiko no misoratra anarana ireo izay te hilalao amin’io fotoana io. Miantso antsika tanora tsy hanafin-talena izahay » hoy i Njara, mpikarakara. « Rehefa tsy mahazo milanonana ihany, tsy aleo miala voly eny an-kianja. Mahafinaritra mihitsy ny hetsika tahaka izao. Ny mpijery mahazo fahafinaretana ary ny mpilalao mitrandraka hatrany fahaizany » hoy i Jerry, mponina ao Ankadinandriana.

Entna hanampiana ny fialam-boly tokoa ny lalao tahaka izao. Manampy betsaka amin’ny fitaizana ny tanora ihany koa tsy hirona amin’ny zava-mahadimelina. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire