Ny fizotry ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy
Miavaka ny fankalazana amin’ity indray mitoraka ity satria atao mandritra ny alina ny matso fanaon’ireo manam-pahefana. Na izany aza anefa, mbola tsy afaka ary manaloka eny ihany ny dindon’ilay aretina izay anisany mbola iadivana amin’izao fotoana sy sorohina ny fiverenany. Afaka manatrika kosa anefa ireo vahoaka amin’ity taona ity ary araka ny vaovao voaray, olona tsy latsaky 20 000 no handrasina ho tonga ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina.
Mba ho fanomezana fahafaham-po ny mpanatrika sy ireo mponina eto andrenivohitra, hisy afomanga hamaranana ny fankalazana arahina fampisehoana hiarahana amin’ny mpanakanto maro. Araka ny fantatra hatrany, mety aharitra 5 ora eo ny fankalazana ary hifarana amin’ny 9 ora alina. Misy ny tapakila raisina eny amin’ny boriborintany faha-6 sy ireo biraon’ny distrika isam-paritra eto Antananarivo. Izany rehetra izany ao anatin’ny fanarahana fepetra ara-pahasalamana avokoa. Mbola tsy misy hatreto ny fanambarana ny amin’ny fisiana hetsika hafa ankoatra ity ao amin’ny Kianja Bareo Mahamasina ity hatreto. Manantena ihany koa ny fahendrena sy filaminan’ny rehetra ihany koa ny tompon’andraikitra misahana izany.
Ally Herisoananahary
