Nangataka ny famerenana amin’ny laoniny ny tolotra ny toerampivarotam-panafody
Raha tsiahivina ny volana martsa, aprily ary ny mey teo dia nanaiky ny mampitombo ny ora fiasany ireo trano fivarotana fanafody rehetra na ambongadiny na atsinjarany. Teo ihany koa ny fanenana ny vidin’ireo fanafody izay mety hanampy amin’ny fiadiana amin’ny covid-19. Ankehitriny, efa miha milamina sy miena ireo tranga sy isa mahakasika ny coronavirus ka mangataka ny iverenan’ny ora fiasana amin’ny laoniny izy ireo.
« Mangataka amin’ireo mpisehatra rehetra izahay, hiverina amin’ny fandaharam-potoana mahazatra, » hoy ny mpanolo-tsainan’izy ireo. Mivonona hatrany anefa izahay amin’izay mety ho fangatahan’ny mpanjifa sy hanome fahafaham-po azy ireo.
Hasina Rasamimanana
