ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Miteraka korontana ny fanelezana tsaho ao anaty tambajotran-tserasera

Ny fanaparitahana vaovao tsy marina ao anatin’ny tambajotran-tserasera no tena miteraka ny tsy fandriam-pahalemana amin’izoa fotoana izao. Vaovao tsy mari-pototra no misy manaparitaka ka tena nahatonga ny savorovoro teny Ambohimahitsy kaominina Ambohimangakely ny 2 novambra lasa teo.

« Ny nanaparitaka tsaho tao amin’ny facebook ka vao maika nitarika ny korontana nanodidina ilay zaza nangalatra izay betsaka ny nanaparitaka fa hala-jaza no hita » hoy ny tompon’andraikitra eny an-toerana. « Efa ny mpitandro filaminana no napetraka hanao ny fitandroana ny fahalemana dia aleo aloha izahay hiasa sy hanao ny asanay, mila fanadihadihana ny tranga iray vao tena mari-pototra tokoa » hoy ny avy ao amin’ny Prefektioran’ny Polisim-pirenena.

« Raha tsy nandray ny fepetra ny mpitandro filaminana nandritra iny savorovoro iny dia efa nisy aina nafoy mihitsy, ilay fiara aza potipotika mihitsy » hoy i Junot, mponina eny Mahazo. Raha tsiahivina ny zava-nisy dia zaza nangalatra no tratra ka iny zaza iny indray no nilaza fa mpangala-jaza ilay tompon’ny trano nangalariny. Ny mponina tsy nanadihady akory ka raikitra ny savorovoro ka niafara tamin’ny fikasin-tanana ny olona tao anaty fiara sy ny fanapotehana ilay fiara 4×4. Soa fa nandray ny asany ny mpitandro filaminana ka fantatra fa mpangaltra ilay zaza fa tsy zaza nangalarina.

Mila fitandremana ny famoahana ny vaovao tsy mari-pototra satria minitra vitsy taorian’io dia niparitaka eran’ny facebook fa misy hala-jaza eny Mahazo ka nihorohoro ny mponina kanefa tsy izay akory ny zava-nisy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire