Nanao hetsika ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany
Isan’ireo sehatra tena mikatso amin’izao aretina eto Madagasikara izao ny fizahantany. Ny fikatson’izany sehatra izany izay tena miatraika betsaka indrindra amin’ny toe-karena Malagasy noho izy izay isan’ny tena mampidi-bola ho an’ny firenena. Nanao hetsi-panairana ny fanjakana ireo mpisehatra amin’ny fizahan-tany ny 27 aprily teo, niaraka tamin’ireo solon-tena avy any Ambalavao sy Ranomafana. Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izy ireo taorian’ny « cortège » namakivaky ny tampon-tanànan’i Fianarantsoa. Mangataka ny hirosoana tsy misy hatak’andro amin’ny fanaovana vaksiny mba hahatonga an’i Madagasikara ho voasokajy ho anisan’ireo « Destination verte » izy ireo. Ary tsy izay ihany fa mangataka ny hanokafana ny sisin-tany hidiran’ireo vahiny vita vaksiny sy hanomezana vahaolana maharitra ho an’ny mpiasan’ny fizahantany rehetra ary hanafoanana na hanamorana ny hetra 2020-2021. Natao ny hetsika mba ho fiaraha-mientan’ny Mpisehatra manerana ny nosy izay misy ny mpisera-dia, mpampanofa fiara, mpamily fiara mpitondra mpizaha tany, mpiasan’ny trano fandraisam-bahiny sy trano fisakafoanana ary ireo « Tour-opérateurs » sy « Prestataires de services ». Samy manana ny mahaory azy marina ny olombelona, firifiry no mangataka ny anidiana ny sisin-tany mba tsy idiran’ny vahiny eto mihitsy aloha na salama izy na marary, eo ihany ko anefa ireo mitondra takaitra vokatr’izany. Inona no vahaolana mety ho an’ny fizahan-tany amin’izao vanim-potoana izao ?
Nicole Rafalimananjara
