SocialTsidika

Tsy misy ny sidina avy any ivelany rahampitso

Niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny mahakasika ny fisian’ny sidina niditra teto Madagasikara na efa nihidy aza ny sisintany ary tsy nahazo nandraisana mpandeha avy any ivelany. Tahotra sy horohoro no tena nameno ny sain’ny olona amin’ny ankapobeny, mahakasika ireo trangan’aretina amin’ny endriny vaovao any amin’ireo firenena samihafa. Mbola nilaza ihany koa aza ny fahitalavitra iray eto an-drenivohitra fa hisy ny sidina ataon’ny Air France handalo ao La Réunion avy any Asie, toa an’i Inde ka hitondra mpandeha ary higadona eny Ivato. Tsy ela taorian’io anefa, namoaka fanambarana indray ny avy ao minisitera fa tsy misy ireo sidina nolazain’io fahitalavitra io. Fanontaniana hapetraky ny maro ny hoe : avy aiza ary izany no nipoiran’io vaovao navoakan’ny fahitalavitra iray io ? Miteraka resabe hatrany amin’ny tambajotra sosialy rehetra ny mahakasika ireo tranga roa ireo. Manomboka tsy fantatry ny be sy ny maro intsony ny tena zava-misy marina, hoy ny fanehoan-kevitra sasantsasany. Raha izany tokoa mantsy ny tena zava-misy marina, maro ny hanome tsiny ny fitondrana amin’ny tandrevaka, indrindra ny tranga izay efa mampihoron-koditra ny maro ny any Asie. Tsy lazaina intsoony ny fahafatesan’ny olona mikararana any Bresil, izay maherin’ny 3 000 isan’andro raha to ka 2 600 ny ao Inde. Zava-dehibe ihany koa hanefa etsy ankilany ny fandaminana ny saim-bahoaka eo anatrehan’izao aretina mamaivay eto amin’ny firenena izao. Ilaina ny fampitoniana ny saim-bahoaka ary mandray anjara feno amin’izany ihany koa ny haino aman-jery, izay lohalaharana amin’ny serasera eo amin’ny vahoaka.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire