Amparafaravola : Nahazo CSBII vaovao i Ambohimandroso
Nahazo CSBII namaly ny filan’ny vahoaka i Ambohimandroso Amparafaravola. Tsy voatery mandeha lavitra intsony ireo mponina eny amin’ny manodidian rehefa hamonjy toera-pitsaboana.
Notokanana ny 17 Martsa lasa teo ity tobim-pahasalamana vaovao ity. « Fahasalamana ho an’ny rehetra ho tanjona. Ho ezahina ho hamoraina hatrany ny fisitrahan’ny rehetra ny fahasalamana ho antoky ny fandrosoana. Isaorana ireo mpiara-miombon’antoka, ny Fondation Axian sy ny BNI Madagascar » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. « Efa misy ny fampitaovana sy ireo fanafody ary mpitsabo hiasa amin’ity tobim-pitsaboana ity avy amin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra amin’ny velirano faha-5 an’ny Filoham-pirenena ny « fahasalamana ho an’ny daholobe » sy ny fanaovana fotodrafitrasa manarapenitra mendrika ny vahoaka izao » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana.
Velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiaramiombon’antoka ny vahoakan’Ambohimandroso ao Amparafaravola. Tsy hanahirana intsony ny fanatonana tobim-pahasalamana.
Nicole Rafalimananjara
