Ambohimangakely : Manampy ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa ny fiofanana eny amin’ny BTC
Mbola mitohy hatrany amin’izao fotoana izao n fiofanana maimaim-poana eny amin’ny BTC Ambohimangakely. Misokatra hatrany ny fisoratana anarana eny amin’ny ivon-toerana, araka ny voalaza. Ireo hetsika sy fampiofanana efa nahafantarana ny BTC hatramin’izay ihany koa dia mbola mitohy ary miampy ireo taranja ilain’ny tanora izay hiditra amin’ny sehatry ny asa toa ny taranja orientation professionnelle, ny dévellopement personnel, ny découverte de psyvhologie ary ny fiofanana mahakasika ny métier tertiaire izany.
“Natao indrindra hanomezana toro sy hanampiana ireo tanora hahalala ny momba azy sy hahaizany misafidy tsara eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fiainany ireo fiofanana ato amin’ny BTC. Ankoatra izay fiofanana izay, hisy ihany koa famelabelaran-kevitra mahakasika ny RSE izay mbola hanentanana ny tanora hatrany hanatrika izany” hoy I Tata, tomponandraikitra ao amin’ny BTC.
“Maro be ny tombotsoa azoko tamin’ny fanarahana fiofanana tato, ary anisan’ny nanampy ahy tamin’ny fiatrehina ny asa aman-draharaha izay ataoko mihitsy, ny fandaminana ny fotoana sy ny fitondran-tena tokony hananana, satria izaho sady mianatra no miasa ary tena nety tamiko ny fanarahana ilay fiofanana momba ny orientation professionnelle tato amin’ny BTC” hoy I Ony, mpianatra momba ny toe-karena.
Maro tokoa ireo tombotsoa azo amin’ny fanarahana fiofanana ao amin’ny ivon-toerana iray ity. Anisan’ny tanjon’ireo tomponandraikitra, araka ny voalaza ny hampivelatra ireo tanora eo amin’ny haizatra ary hampitombo ny traikefa izay hitondra azy ireo mankany amin’ny fandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
