ConseilTsidika

Ireo fahazarana sy toe-tsaina mila hananana raha te ho mpitarika.

Mety efa maro no efa nitarika fikambanana na vondrona na indray fotsiny ihany aza teo amin’ny fiainany. Tao ireo nahomby ary mety nisy tsy nahomby ihany ko anefa tao anatiny tao. Mety ho maro ihany koa ny antony fa ny fomba fitondrana olona anefa dia mila fahaizana sy fahazarana kely vitsivitsy mba hahazoana vokatra tsara. Azo hampiharina ihany koa nefa ireto toe-tsaina ireto raha to aka mbola vao mieritreritra ny hitarika olona.

“Nitarika olona taloha fa ny olana anefa tsy mahay miara-mamita asa fa toa ohatran’ny hoe mahita olana amin’ilay olona entiko foana aho. Toa tsy misy ankasitrahako ny zavatra hataony dia lasa tsy vita tsara ilay asa. Nahatsapa tena ihany anefa dia nikaroka hevitra ary nanova fomba fiasa dia nandroso ilay asa”, hoy i Paul, mpitarika tetik’asa iray.

“Maro ny toro-hevitra azo haroso ho an’ireo izay te hitarika olona ka te hahazo tombony tsara. Voalohany indrindra aloha dia mila safidiana tsar any olona hiarahana miasa; mila miara-miasa amin’ny olona mahomby sy mavitrika noho izany. Ny mpitarika izany tokony olona mavitrika foana ary tokony ho fitaratra eo anatrehan’ny olona tarihina. Izany mpitarika ziany ihany koa dia olona efa mahafehy ilay sehatra ka tokony hampita izany fahaizana sy fahalalana izany amin’ny olona tarihina. Tokony ho olona tia mizara sy manolotra noho izany ny mpitarika. Raha ny tokony ho izy dia miara-mandroso ny olona mpitarika sy ny tarihiny ao amin’ny zavatra hatao”, hoy i Harinoro, tompon’andraikitry ny Leadership training Institute ao amin’ny BTC Ambohimangakely.  

Azo hatao ihany koa ny mikaroka izay fomba hitan’ny tsirairay fa mety hampahomby ny asany amin’ny sehatra itarihany. Tokony omena lanja hatrany anefa ireo mpiara-miasa amin’ny fomba fiasa hatao satria izany no miantoka ny fahombazana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire