Comores : Voaasa amin’ny « Sommet sino-arabe » ny nosy
Voaasa amin’ny « Sommet sino-arabe » andiany voalohany hotontosaina ny 9 desambra izao ao Arabie Saoudite i Comores. Natolotrin’ny ambasabora Saoudien ao Moroni, Dr Attala Ben Zayeed Al-Zayeed nivantana tamin’ny filohan’i Comores, Azali Assoumani ny fanasana ny herinandro lasa teo nandritra ny lanonana « solennelle » tao Beit-salam.
Marihana fa manana fifandraisana matanjaka eo amin’ny sehatra rehetra ny firenena sinoa sy arabo, anton’io fivoriana io. Efa mahatratra hatramin’ny 300 isa ny fifanarahana ara-barotra teo amin’ny roa tonta hatramin’ny fikarakarana ny « forum sino-arabo » voalohany tamin’ny taona 2004.
